OMEKO ANAO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hiteny aho hoe omeko anao ny volana
Na koa hoe tangosako ny kintana ho anao
Fa resabe izany, sy teny be fisolana
Teny fambaboana sy teny belazao

Fa izay azoko omena ihany no atolotro
Dia ilay fitiavana ao am-poko, resahiko imolotro
Fa izay azoko atao , ihany no lazaiko
Hiadananao ry tiako, ka toaviko, vitaiko

Tsy hiteny aho hoe, hampiadana anao
Amin’ny tranobe, sy fiara lafo vidy
Dia ho be tanisa, hanome izao sy izao
Ho fampandriana adrisa, ka vava no amidy

Fa izay azoko omena ihany no atolotro
Dia ilay fitiavana ao am-poko, resahiko imolotro
Fa izay azoko atao , ihany no lazaiko
Hiadananao ry tiako, ka toaviko, vitaiko

Fa omeko anao ilay sarobidy indrindra
Ilay foko manontolo, rakotra fitia
Ketsaiko ao am-ponao, ataoko tsara findra
Hamaka sy hitsiry ka hamelana fitia ,

Fa izay azoko omena ihany no atolotro
Dia ilay fitiavana ao am-poko, resahiko imolotro
Fa izay azoko atao , ihany no lazaiko
Hiadananao ry tiako, ka toaviko, vitaiko
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1342 1
Mpakafy: tsiou1482
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324