Omeo eto ny “maorsa” (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba hoy aho, nifanome toky sy nifanao voady
Na angamba mihitsy, efa nanao sonia, ary efa nivady
Ilay Ramalagasy sy ilay Rafahantrana, fa tsy niteniteny
Dia nifamato-maty, nifaningotr’aina, teny rehetra teny

Angamba hoy aho, efa dimampolo taona, izany no nitranga
Fa nafenimpeniny, sy notakonakonany, ka tsy nisy mba niampanga
Nogejainy ho azy irery, tao an-tokantranony, ka tsy hita tazana
Ka taty aoriana , vao niharihary, tao an-tanindrazana

Dia Rafadiranovana, sy Rafitiavan-tena, no vavolombelona
Renimalala indray, nanome ny tso-drano, mba ho lavavelona
Dia niaraka niria, nifampizara fiainana, am-polo taona maro
Dia nanome taranaka, dimy lahy maditra, ny tantarany fantaro …

Ilay lahimatoa, nahita fianarana, sy feno diploma
Nahay tena nahay, natoky tena loatra, ka nanaotao foana
Nokitihiny daholo, ny lalàm-pitondrana, nahafahany nandidy
Nihevitra izy mantsy, fa tena izy irery, no deba sy Radidy

Ilay lahiaivo indray, nianatra ihany, tonga profesora
Fa tsy mba kingakinga, na koa maodimaody, fa nigoragora
Mety hoe tsotra loatra, na tsy nahita fiainana, dia nihafihafy
Noheveriny ho tao azy, ny rehetra manodidina, hoe samy Razafy

Ilay lahy fahatelo, tsy dia nazava loatra, ny lalana nombany,
Hoe taiza no nianatra, taiza no niofana, fa nampiana-tena tany
Izy indray raha tetika, tena am-pihi-mamba, nanao lohan-tsalo
Natahotra daholo, na ireo tia na ireo tsy tia, hoe miala any Ravalo

Ilay faralahy indray, nahita iretsy zokiny, dia nanara-drenirano
Taitaitra feno edina, sy tia misehoseho, sy be be angano
Nanao loham-boto, angamba nandraindray, zava-madadomelina
Ka feno setrasetra, sy manao baroa, ilay Rajoelina

Ireo aloha ny tantara, hita sy tena tsapa, dia natao an-taratasy
Fiainan’izay roa, ilay Rafahantrana, sy ilay Ramalagasy
Hita hoe tsy tsara, fiainana tsy mety, tokony hi”divaorsa”
Raha toa ianareo mahita, hafa tsaratsara, dia omeo eto ny ” maorsa”
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
980 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0302