Ora firy (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ora firy

Dia lasa koa ny saiko, mijery ity fotoana,
Ora firifiry, no lany sy nimaona
Nanangonan’ainga, hampiainga ny fanahy
Ora firy re, mba maro ihany lahy !

Fa tononkalo iray, vita am-bakiraoka,
Afaka ora firy, vao azo aseho vahoaka
Amin’izany ny tsipelina, mila fanintsiana
Ny voambolana fampiasa, ovaina dia fidiana

Fa tsy korisarisa, na teny diso toerana
Na voka-bisavisa, navoaka tsy noferana,
No nandany ilay fotoana, fa ilay fisosam-penina,
Sy rotsan-driakan-teny, ho soratra voatenona

Ireo angonangom-betso, mivadika ho feo
Tanisain’ny fo, ka miainga eo no ho eo
Dia efa mahavalalanina, fa minitra maro
No laniny sy alainy, izay vao mety ho laro

Ireo gadona sy rima, haingo sady ravaka,
Ireo sarintsarim-peo, halanto hampiavaka
Mila avoaka an-teny, raketina an-tsoratra
Dia mandany ny fotoana, sy andron’ny mpanoratra

Dia nataoko teo ny kajy, sy ny adi-sanina
Natao ny kaonty baoritra, ka tena nahafanina
Fa tena ora maro, atsasa-torimaso,
No takalon-drarak’ity ainga ts’isy andraso

Dia ahoana izany ? raha ireo izao no vola,
Tsy hahantra ny poety, ny mpanoratra tsy ho tola
Ny kanto Malagasy, hirenty sy hanan-danja
Fa tsy ho basin’ari-fito, mipoaka ts’isy vanja

Fa andraikitr’iza, no manome ny vahana,
Sa ny fisaina fotsiny no mbola misy bahana,
Ka ny kanto Malagasy, tsy mety hahavelona
Fa mpampifaly fotsiny ny zanak’olombelona ???
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
808 0
Commentaires
Zozoro ( 16/08/2010 08:11)
"...Ka ny Kanto malagasy, tsy mety mahavelona
Fa mampifaly fotsiny ny zanak'olombelona."

Marina tokoa ny voalazanao raozy, mba amin'ny ora fahafiry ary mba amin'ny taona fahafiry no hahavelona ny kanto malagasy ? Ary mety hisy ve izany ? raovina izy ireo no hitovy amin'ny mpanakanto any iveleny izay mpanetsietsy ny maro ! Indrisy ! nefa midera aho ary mankasitraka anareo indrindra.
raozigasy ( 16/08/2010 21:38)
Misaotra anao Zozoro
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313