Ovay - raozigasy
Azo vakiana?
Ovay
Isika mila miova raha toa ka te handroso
Mila mivoatra SAINA, mila miova JERY
Ny hafa ireo TAFITA an-toe-kare-miroso
Isika mbola miaina, an-tsaina teritery
Izaho tsy hiteny hoe : ialahy, na ianao , na indry
Na hoe ny mpitondra, na ny fanjakana
Isika tontolo, zanak’ilay tongotra ankavia
No mila manao EZAKA, sy mila fiovana
Ny ahy tsy politika, fa dinika tsotsotra
Rehefa miady hevitra, aleo mba avoina lenta
Tsy tsikera sy kafara, no fenoina an-tambazotra
Aleo mifanoro, mifanondrotra talenta
Isika lany andro, amin’ny “le pont” sy “la pont”
Ny hafa miasa saina amin’ny famoronana asa
Isika be tatasiaka, hoe “T shirt nylon”
Ny hafa mamoy ny lasa, mamadika ny rasa
Isika lany andro : fako …SAMVA
Ny hafa mijery vahaolana, hanarenam-pirenena
Isika mbola hoe : labozia e JIRAMA
Ny hafa efa mitrandraka, FITAIZANA NO HARENA
….
Avy eo izao hitako eto, handeha ny resabe
Hoe ity Raozigasy ity toa mba miseho milay
Dia hoy aho tsotra hoe: izay mihitsy ange
Ilay toe-tsaina mampiteny hoe : MBA MIOVA AMIN’IZAY
© Raozigasy 24/03/2019
Mombamomba
Mpanoratra : raozigasy

Nampiditra : raozigasy
Daty : 22/05/2019
Mpamangy : 841
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Orohy aho akia malala aTratry ny taona 2020 Ho
Gaigy be
01 Novambra 2019
Ry zalahy sy ny sasany
Natahotra
Peratra
Un jour mon fils tu vas m
Fan Zone
Ialahy