Propagandy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanomboka hiandoha,
Ireo fanasana loha
Etsy sy eroa

Ho bobaka ny toky
Lazain-dry boloky
Fa ry zareo te ho voky

Hi-demagozia
Ny atsy sy ary
Ho avy ny « je suis »

Dia ronono an-tavy
Indray izao no ho avy
Fa betsaka ny favy



Hisy radio vaovao
Tsy nisy hatramin’izao
Atokana ho anao

Ho savony indray ny vava
Amin’ny kabary lava
Atao kobaka am-bava

Mba miaina ny artista
Mampiseho frista
Mizesta amin’ny pista

Eraky ny tanety
Koranabe sy fety
Fidio aho fa vedety



De feno rehareha
Izay miseho tele
Hoe hahavita be

Eo amin’ny 13 mai
Ho vahoaka be
Handeha ny composé

Bizim-betivety
Ireo internet
Ireo cyber ho voatety

Feno afisy ny tanàna
Sady voakarama
Ireo bandy akama



Hiraraka ny vandy
Zairaim-bola ny bandy
Fa propagandy

Hitobaka ny vary
Zarain’ny taritary
Vao mihaino ny kabary

Any an-tanana ambany
Zarao vola ry tsamy
F’enao toude lany

Ireo bandy efa boro
Avoaka dehoro
Hanao gardadekoro



Mba mahazo iray vilia
Indray ireo 4 mi
Amoron-dalamby

Hahazo akanjo mandry
Ny valala bemandry
Ny T-shirt tsy andry

D hanao kasikety
Ry kala zorizety
Mitango ireo sosety

Hozaraina ny ari-zato
Atao vidim-bato
Fa fifidianana ato ho ato
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1026 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.085