Raha hatreto aloha (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hatreto aloha, dia olom-baovao
ity praiminisitra, nomena ho ahy sy ianao
mbola madio « casier » raha resa-politika
palitao vaovao, mitondra teknika

Raha hatreto aloha, arahina ny onjany
sao izy no hamoaka , ny gasy anaty fonjany
aza asiana resaka ilay fiteniny vahiny,
izay no manavanana azy, ka aza omena tsiny

Raha hatreto aloha, haiko izy hoe mahazaka
io andraikitra io, fa tsy hilakalaka
ny traik'efa nolalovany, sy ny lalam-bitany
nahitany sedra maro, fa tsy hoe hatsaran'ny vintany

Raha hatreto aloha, tsy mbola voafidiny
ireo minisitra hanampy, amin'ny adidiny
fa raha ireo koa no madio, olom-baovao sy tsara
angamba mety hangirana, ny ampitson-gasikara

Raha hatreto aloha, asiako ihany hafatrafatra
tsy mbola hita mantsy , ilay hoe tonga lafatra
ka aleo hatreto ihany, ny resaka no ajanona
hiarahana mahita, aleo aloha aho tsy hanann

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1015 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313