Raha izaho no lany (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa tsy andriko sahady ilay volana jonaOlo-marobe, no indray henoina
Hilaza drafitr’asa, dinika sy vina
Hevi-baovao , nofy, faniriana
Raha izaho no lany, dia hidina ny solika
Ny lalana rehetra tsy hisy izay ho potika
Ho voky sy mandrezatra, ny valalabemandry
Tsy misy intsony ilay noana nefa mandry
Raha izaho no lany, dia ho foana ny herisetra
Handry am-pahalemana, ny olona rehetra
Ny vaki-trano sy halatra, ho tantara sisa
Fa ny fahafaha-mividy, ho avo salan’isa
Raha izaho no lany, miasa daholo ny olona
Izay no tena antony, nanaovana ny tolona
Ho tsara ny fitafy, hianjaika ny tontolo
Ny fiaran’ny rehetra, tsarabe daholo
Raha izaho no lany, hiova I gasikara
Ny mpitondra fanjakana, asaiko miasa tsara
Ireo karazan-kolikoly, fongoriko am-pakany
Ireo izay mafy loha, omeko koa ny dakany
Raha izaho no lany, jereko ny tanora
Ilay hatanorany, avadika ho akora
Ireo zoky politika, hisotro ny rononony
Aoka izay ny azy, tanora no ho solony
Tsy andriko sahady, ilay hoe Gasikara
Anaty dimy taona dia hiova ny tantara
Tanteraka ireo nofy, nofisina hatrizay
Hiova ny tantara, angamba mety hilay
--------
Rohy:
Sokajy :
Politika - Aingam-panahy