You are here: home > Vetso

Raha toa - raozigasy

Azo vakiana?


Raha toa ka fohazinao ny lasa,
dia fohazy moramora,
Matahotra aho fa sao voarasa,
... ny foko na koa hoe voakora

Raha toa ka ho fohazinao ihany,
dia fohazo mangingina
Matahotra aho fa sao tomany,
no tsiarom-pongatr’ireo dina

Raha toa fohazinao tokoa,
dia fohazo am-pitoniana
Handaminaminam-po,
ny anao moa fanahy iniana

Nefa re raha azo atao,
aleo izy hatory ao
Aleo hijanona amin’izao,
sao hampidi-doza anao

Hevitra mandeha

Soarilala (15/12/2010 17:57:42)

Ka inona ary no atao, ho fohazina ihany sa tsia! K'efa hoe atao amin'ny fo tony ve dia mbola mety hampidi-doza ihany! Sa ahoana!!!!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha