Raha toa ka …. (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ka ny tononkaloko, no mitondra fifaliana, sy marain-tsiky ho anao
dia aza mihafa koa ianao, fa amin'ireo hafa namanao, ny tononkaloko zarao

Raha toa ka ny tononkaloko, no tsy andrinao ho tonga, ao anatin'ny finday
dia aza miandry koa ianao, raha toa ka tianao, manaova « j'aime » indray

Raha toa ka ny tononkaloko, no mandona anao anaty, vao manoka-tsolosaina
dia mihemora kely aloha, banjino fohy ny lasa, sao izany mety ilaina

Raha toa ka ny tononkaloko, no indraindray koa mba mitsabo, ireo kaikitra mamely
dia tsotra no lazaiko anao, mbola tsy vita re ny rova, fa mba manomeza kely

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy
1359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313