Rahoviana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tazako am-pahitalavitra, ireo noely eran-tany
izay miseho rehetra an-tsary, dia toa tena tsara be izany
tena noely ny noeliny, fa tsy hoe kipeta-toko
tena miavaka ny ravaka, misongadina ny loko

dia lasa teo ny saiko, nitodika tan-tanindrazana
ny noely any ve izao, tsy tena mbola mazamazana
ny fahalemana tsy misy, ny hohanina fiazana
moa ity politika ity, tena mampihidy vazana

ny andro ratsy etsy an-daniny, ny aretina mamely
izany lokom-pety izany, toa tsy miava-belively
hitako eto ny fipitran’ny bitika sy ankizikely
manantena ny tsy misy, miandry maina ingahibenoely

hitako ireo ray sy reny, mivavaka mandoa-danitra
Ry Andriamanitra ao ambony, mba omeo noely manitra
Indray andro amin’ny taona, ny mpianakavy hisaramanitra
Handray ny fiavianao, ka hiara-paly hisalanitra



Dia nangotika ny foko, nangorana ny tao anatiko
Mampahonena izato aiko, izato sary ka tsy tantiko
Rahoviana re ry Avo, vao hazava sy hangirana
Ny ampitson’ity fireneko, ka hifaly noely miramirana ?
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
934 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2889