Rahoviana indray (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy andriko ny anio, hoe andeha hivory
Ary alina aza,zara raha natory,
Nihevitra ny androany, hoe hifankahita
Ny tsy akaiky aza, fa ianao ery am-pita

Dia nihaingo sy nijejo mba nanao manimanitra
Hisarihan-jery, ilay andriambavilanitra
Nanomana kabary, karazan-hainteny
Hanintonana azy, rehefa injay hiteny

Ka tan-dia an-katoka, sy hazaka madinika
No nifindrana toerana, raha handeha hidinika
Hamonjy fivoriana, hihevi-draharaha
Nefa ny tena marina, hitady anao, hizaha

Tonga tao anefa, ianao tsy hita akory
Banga ilay toerana, an-databa-boribory
Nangina teo ilay foko, niridam-pitempoana,
Fa seza ts’isy olona, no sendra nanoloana

Dia namboatra saina, angamba izy tara
Ka niezaka ny hanemotra, ilay hevi-tian-kambara
Fa hoe hiandrasana azy, hangalaran-jery
Ilay masony sariaka, ka izaho ho voajery

Kanefa , nandroso ny fotoana, ny tafa koa nimaona
Ka voatery ihany, nandoatra ny tan-daona,
Nizara ireo voahevitra, tsy tanoloanao
Tamin-banjin-dranga, hendra-pitady anao

Vita ny fotoana, nirava ny fivoriana
Nangasy koa ny foko , ginam-paniriana
Dia nanontany tena, hoe rahoviana indray,
Asa loatra lahy, f’izaho mangaihay

Dia nody an-tenda maina, nanantena tsy misy
Rahoviana indray ,vao alakamisy
Hanantena indray, ny fahatongavanao
Ny sampona iangaviako, tsy hisakana anao
--------
Rohy:
738 0
Hevitra mandeha
tiarah ( 16/08/2010 12:19)
"Maninona anefa raha toa ka tonga dia resahina, raha samy olon-dehibe ihany e"
raozigasy ( 16/08/2010 21:35)
oops !! naninona tokoa e
ny tena marina dia izao e : setrin-tononkalon'olona io eee
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.045