RAIKITRA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raikitra ihany ity kozy ity
Io ilay nolazaiko taloha tary
Hiaina ambiansa fety, jery
Ry zalahy “any am-bohitry ny very”
(vakio "any am-bohitry ny very" http://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/any-am-bohitry-ny-very )

Raikitra izy aloha hatramin’izao
Na dia be naka avansa aza tao
Nanomboka ihany ilay “propagandy”
Tsy bilao intsony ity na vandivandy
(vakio "propagandy" http://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/propagandy )

Efa feno Tshirt ny tanàna
Izay tsy mahazo ihany no sagnana
Ny artiste rehetra izay mba vedety
Omena vola daholo, afa-tsy ny poety

Hazakazaka any Mavoloha ny soavaly
Izay be saosy ihany anefa no mampifaly
Ireo izay faible moa fa tsy ampy drala
Dia miafiafy ery an-jorom-bala

Izay indray izao ny revy vaovao
Ho an’izay hifidy asakasakao
Asio X izay bonne reponse
Fa izay lany eo indray no hisponse
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
887 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0339