Raitranao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny masoko akory no mipendrapendran-jery
Ka kosehiko matetika, fa mitifitra mahery
Fa izato Raitranao, nobanjininy tsy miery
No nahatonga azy toy izao, ka tena nampiteny irery

Tsy ny jeriko akory, no miridy tsy mipika
Ka hendratrendratiko eny, hoe mba hibaliakaliaka
Fa izato Raitranao, maninto-maso re ilay bika
No nahatonga azy toy izao, nahita seho tsy hay adika

Tsy ny bikako akory, no taitaitra sy maimaika
Ka mibitaka sy miedina, tsy mba matotra firaika
Fa izato Raitranao, fanaperana amin-jaika
No nahatonga azy toy izao, kanto ianao fa tsy mba saika
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
793 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0967