Ranomaso Nisy ranomaso l (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ranomaso

Nisy ranomaso latsaka fony ianao vao tera-bao
Nisy ranomaso latsaka vao nandeha ny zanakao
Nisy ranomaso latsaka fa hanohy fianarana handao
Nisy ranomaso latsaka fa hanorin-tokantrano vao

Nisy ranomaso latsaka noho ny triatram-birijiny
Nisy ranomaso latsaka tamin’ilay ianao nariany
Nisy ranomaso latsaka noho ny ditra tsy niniany
Nisy ranomaso latsaka f’izay no vita ny amin’iny

Misy ranomaso latsaka, rehefa vita fandevenana
Misy ranomaso latsaka aorian’ny sento fanenenana
Misy ranomaso latsaka tsy voatsahatrao henemana
Misy ranomaso latsaka anaty zioga fiafenana

Misy ranomaso latsaka rehefa dibo-kafaliana
Misy ranomaso latsaka rehefa dify fiafiana
Misy ranomaso latsaka rehefa tojo faniriana
Misy ranomaso latsaka rehefa Tia ka tojo Tiana

Hisy ranomaso latsaka raha mifoha ireo fota-mandry
Hisy ranomaso latsaka raha tsy mahavita inona ny sandry
Hisy ranomaso latsaka raha mirodana ny andry
Hisy ranomaso latsaka raha ny eritreritra tsy mandry

Fa …

Misy ranomaso hafa, tsy fantatrao anefa ny antony
Sendra angamba sary iray, tsara loatra ny hakantony
Na sendra hira na mozika, tianao loatra ny filantony

Misy ranomaso adaladala, tsy hainao vina velively
Teny antsefatsefam-piainana, tampotampoka mamely
Mandondona, mifokofoko,mirotsaka tsikelikely

Misy ranomaso hendry,arotsaka am-pahanginana
Ao an’efitra irery,mikorisa am-pahamalinana
Tsy arahin-tsento, na toloko, fa atao am-pilaminana

Misy ranomaso tsy milatsaka fa vao teraka dia maina
Mandratra fo mamono anaty, mandrotika fanahy sy aina
Rehefa ianao ilay nanantena… kanjo indrisy fa nangaina

© Raozigasy 14/05/2019
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
751 1
Mpakafy: ANARIM
Hevitra mandeha
ANARIM ( 04/01/2020 08:11)
"Misy ranomaso adaladala, tsy hainao vina velively
Teny antsefatsefam-piainana, tampotampoka mamely
Mandondona, mifokofoko,mirotsaka tsikelikely"
...mihatra amiko matetika...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309