Rapapany (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsoahy aloha ny peratra, vao miresaka amiko
dia asio « champagne » raha tianao ny halamiko
dia ny tsaky « brochette », izaho tsy mila voanjo
dia esory aloha ilay tanana, misafosafo ranjo

Dia andao hiala eto,ndao hamonjy seza,
ataovy ny « commande » atao tavoahangy ngeza
dia andraso koa antsoiko, ikala Clemence,
amin'izay isika telo, milay be ny « ambiance »

mahazaka ahy ve aloha, ity fenao ry baina
sao aho dia mianjera, ianao ihany ange no oainina
fa tsy olana izany, ny ahy rehefa miainga ny « S »
dia izay tianao ataoko, alamina misesy

…..

avia akia itena aty, hatao « presenter »
« cheri » ko vaovao, « cheri » bogosy be
raha tsy hitan-dry akia za, dia mody miaraka aminy
aleo aho aloha anio, hofainy sy hindraminy

io akia ny « champagne » aza mihafahafa
raha tsy tian-dry ny tsaky, azo soloina hafa
tiako retsin'ty, ity « cheri »-ko vaovao
fa sady patro, no papa misy atao

dia domy aloha ny vera, sa ahoana akia « cheri »
sao dia mbola ampiana, ilay « consomme whisky »
sotroy sotroy aloha, hampiakatra ny dozy
rehefa avy eo isika, atao manjabe ny kozy

….

Rapapany amin'io, tsy misalasala
miliba dia miliba, tena miadaladala
mbetika manoroka, mbetika misafo
manararaotra koa, fa handoa vola lafo

manodidina azy, tavoahangy mifangaro
karazan'alikaola, sy vehivavy maromaro
tanora tena vantony, mivarotra ny tenany,
manadala antitra, ho takalom-pitombenany

manoloana azy, ireo mampijijy andilana
izy amin'io efa mironjona, mivilana
tsy mahazaka intsony, ireo vera nifanesy
ka farany nianjera, tamin'ny tany resy

…..

poa tahak'izay dia tonga, ireto « pompier »
nibata sy nilanja, nitondra azy nandeha
nanatitra azy koa tany amin'ny « urgence »
dia teo koa no niova, ny tsiron 'ny « ambiance »

fa tonga ramatoa, sy ireo zanany vavy
taitra, nisaritaka nanao be fiavy
ny ankizy nitsamboatra naninona papa
ramatoa nitomany, maninona ialahy

ny rehetra manodidina, mandeha ny fosafosa,
tsy misy sahy nilaza, fa samy toa kanosa
ho avy eo hono sefo, hilaza izay nanjo
fa mipetraha ianareo, misotroa rano aloha

….

ny tohiny asa re, izaho tsy te hahita
tantara vao manomboka, sa tantara efa ho vita ?
--------
Rohy:
1449 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0327