Ratsy vintana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Foana izato paosiny
F’ilay vola saika kaofiny
Raraka sy very
K’izy tsy nahajery

Fa nanjavon-tsy hita taratra
Natelin’ito tatatra
Ireo madinika fameriny
Ka tankina ny jeriny

Ka tsy afaka mba hila
Na hividy tapakila
Hanohizan-dia
Am-piaran-dalam-by

Ka sisasisam-pitra
Sy ranomaso ritra
No mba hany namany
Rosian’ny tsy fananany

Satria tsy maintsy hody
Dia indro fa nisody
nanaraka an-tsisika
mpandeha hafa sisa hirika

vao mainka anefa atambo
fa tratry ny haza lambo
sendra fisavana
ka tratra nihanahana

dia voasazin’ny lamandy
fa tsy nahita vandy
ka tsy afa-niala maina
ka teo torovan-tsaina

dia resy , ana, sina
ilay olo-mangina
fa sendra vintan-dratsy
ilay naman-dany vatsy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1300 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 16/09/2010 11:40)
ahatsiarovako ilay fotoana nahatratran ny controleur ny tram way ahy ity tonokalo ity, voan ny amande 35 euros aho tamin izay fa niana-kendry NIKIDAONA tsy nividy ticket, misaotra e!
raozigasy ( 16/09/2010 19:22)
ka izay mihitsy ange ilay tantara ee
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0661