Ray o ! (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nivavaka aho androany, tany an-tranonao
Kanefa haiko fa tsy ampy, ireo vavaka natao
Ka indro averiko eto, izany fangatahako
Ataoko an-drimarima, ho an’ireo rahalahiko

Ny rima tiako asandratra amin’ity krismasy
Dia tsy ho ahy sy anay intsony,fa ho an’ny Malagasy
Ireo any an-tanindrazana, mitady fitoniana
Miandrandra fahalemana, am-bavaka mangina

Ny vetso tiako asondrotra, amin’ity andro noely
Dia vavaka manokana ho an’ireo zazakely
Ireo miady anaty aretina, miady fahavelomana
Ka anaty rovi-damba, no tahiana sy takonana

Ny embon-tiako hanonga, amin’ity fetim-pivavahana
Dia ho an’ireo ray sy reny, natokam-panavahana
Sahirana ara-bola, sahirana ara-tsaina,
Kanefa ny andro fety, ka he mangaingaina

Mety hoe lavareny izao vavaka atao
Nefa re aza tsiniana, fa mba tanteraho
Ianao ry Ray ambony, Ianao mahalala tsara
Ireo jaliny miafina, ilany karakara
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.09