REHEFA (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFARehefa tresaka ny foko
Ka ilaiko ny mitony
Rehefa tiako hazava irony loko
Nohamaizinin-donilony
Rehefa mila zahatra iny
Fa mila zakan’ny tafiotra
Iny aingam-panahiko iny
Fa lasa sy nipololotra
Rehefa feno bitaka aho
Ka te-hizara hatretrehina
Noho ireo zava-nifamaho
Na hoe to izay noketrehina
Rehefa izany rehetra izany
No tafaangona sy mihaona
Ka ny vetso, ny ainga, ny vinany
Miaraka toa vary an-daona
Dia raisiko ny peniko
Atobako ireo rarin-teniko
Ararako am-bakiraoka
Ireo rehetra ireo sao dia mitsoaka
Avy eo vao rariako an-drandrana
Ireo rimarima sy filirony
Asesiko ts’isy andrankandrana
Ireo rehetra kantony sy tsirony
Dia avy eo aho vao manketo
Mihaona aminao mpamaky
Te-hiteny hoe indreto
Ny soratro raha tehamaky ...
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Aingam-panahy