Reny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reny

Dikan-teny malalaka « Être mère » nosoratan’Iantely Rakotovololomahefa

Reny
Ilay vatana niova, nitondra vohoka sy taiza
Ilay asa saina sy mangina, mandinika ny hoe ho aiza
Ilay tsy mihafa koa miteny, sao any aorina hanenenana
Mamakafaka am-po lalina, mba tsy hisy zavatra hiverenana

Reny
Hasambarana tsy takatra no iainany isan’andro
Asabe tsy hay tanisaina, vitainy alina sy antoandro
Hainy tsara ny mizara, fitia ho an’ny kely sy lehibe
Voatsinjo hatrany ny rehetra, na aiza sy inona aleha

Reny
N’inona n’inona mitranga, eo lalandava am-po mahery
Vonona sy tsy mitsoaka, tsy mamela mihitsy ho irery
Ny toky sy finoana ananany, tena sarotra hozonina
Na inona koa ady atrehiny, ny heriny tsy hay ontsonina

Reny
Tsy mitsahatra mampianatra, mananatra ary koa manoro
Milaza hatrany fa ny fiainana, maro sedra mampikoro
Nefa na inona midona, na inona mety hahaketraka
Eo an-tratrany no toerana, mbola hahafahana mipetraka

Reny
Manaraka tsy mahafoy, tsy hay mazava hoe hatraiza
Ireo fiaina nolalovany, no traikefa entiny mitaiza
Hainy tsara ny mampiarina, mampitsangana raha lavo
Ny hakiviana, sy harerahana, ovainy ho tsiky maharavo

Reny
Mivadibadika ao aminy, ny hasambarana sy jaly
Ny jalim-batany sy fony, ny tsiaro maminy omaly
Ny fahoriana nosedrainy, ny kakakakan’ny fahiny
Voatahiriny an-tsary, ambadik’iny tsikiny iny,

Reny
Mahay mihaino ny taraina, rehefa sendra ny ady sarotra
Mitondra tamby safosafo, tsy an-takalo na adi-varotra
Mety aminy avokoa, namana, zoky, iray tampo,
Ahitany vahaolana, izay rehetra hoe manjo

Reny
Miomana amin’ny ho avy, fa ny fiainana mitohy
Manohy ilay fiainam-boninkazo, ho laingo, felana, salohy
Mizara hatrany ny fitiavana, fa izay no tsara indrindra
Mitia dia avy eo tiavina, izay ilay ketsa tiany afindra

© Raozigasy 13/06/19

Être mère...
Un bonheur de chaque instant
Un boulot à plein temps
Les aimer, petits ou grands
Les soutenir tout le temps...

Être mère...
S'accrocher le cœur vaillant,
Toujours au taquet jamais les bras ballants,
En eux, nos fois jamais vacillantes
Malgré les nuits épuisantes...

Être mère...
Et leur apprendre
Que la vie n'est pas que tendre
Mais que le confort de nos seins
Sera toujours un refuge, aujourd'hui, demain...

Être mère...
Et accompagner
Leurs découvertes et leurs regrets
Leur apprendre à s'aimer et se relever
Et à ne jamais se décourager.

Être mère
C’est aussi une alternance
De souffrance
De bonheur immense
De sentiments intenses

Être mère
C’est un changement de corps
Et tout son décor
Sans le moindre remords
Sans avoir tort

Être mère
C’est une bénédiction
Beaucoup d'actions
C’est une immersion
Dans toutes les fonctions

Être mère
C’est survivre dans une galère
Être à la fois confidente et compère
C’est consoler les moments amers
C’est « assurer pour les êtres chers »

Être mère...
Et continuer à vivre pour soi, s’amuser,
Se sentir belle, aimée, s'aimer ...
Notre seule arme pour durer
Et pour ..toujours les aimer...

25/5/2019
--------
Rohy:
1889 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0322