Revy degany (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa samy hiainga ny revy degany
Dia aleo samy manana izay ho debany
Dia aleo fanjakana mizaka tena
No ainga hitondrana ny firenena

Dia Maihol apetraka haminany
Hitantana izany rehetra izany

Dia omena Dj ry Remenabila
Mba tsy hanao revy mivaralila

Lalao alefa any Ambovombe
Ho bolangin-dronono ny be dia be

Ny Rado alefa eny Tampoketsa
Mba hamboly vary, hampaniry ketsa

Vahombey alefa Antanimenakely
Mba ho filozofin’ny boaikely

Didier hanenijka an’i Babay
Hikotrana pompe milailay

Eugene ampodiana any Maintirano
Hanohy politika kitranoantrano

Hajo alefa any Tolagnaro
Amin’izay amin’ny hafa tsy mifangaro

Sylvain alefa any Daraina
Amin’izay ny kil tsy mitaraina

Roland alefa Tanamakoa
Any koa izy moa efa filoha

Apetraka tsara any Ampanihy
F’efa Tale, Ingahy Camille

Alefatsika any diego
Izy ho filoha ingahy pierrot

Roger alefa any Belo
Mba halazalaza ny fitampoha

Guy alefa any Ankazoabo
Hanova ny fiaina ho aboabo

Saraha alefa any Soalala
Amin’izay ny olona mahalala

Clement alefa any Nosy Be
Amin’izay ny fizahan-tany mba mandeha

Jean alefatsika any Ejeda
Hamboatra ny lalana ho ngedangeda

Dofo alefa any DIANA
Hiambina ny harenan-dry zalahy

Patrick alefa any Beraketa
Hanodina taratasy ny raketa

William hitondra ny Mikea
Mba hahay taratasy toy ny vazaha

Patrick, ilay anankiray
Sefon’ny Fb ao Salazamay

Edgard apetraka any Vondrozo
Hanamafy loha ireo mangozohozo

Brigitte apetraka Itampolo
Amin’izay ny mpamaraky mba maty lolo

Tabera apetraka Vohemar
Mba miaina rivotra tsaratsara

Dolin apetraka Boanamary
Hampianatra revy ny taritary

Roindefo alefa any Tranoroa
Hanoro ny any tsy hikitoa

Fetison alefa any Boriziny
Any haiko, angamba ho tiany


….

Ireo hafa nisoratra nefa tsy ao
Avelako mba hotohizanao
Dia aza faranana ny lalao
Fa izay mahay manoratra aleo hanao

…..
--------
Rohy:
1608 0
Hevitra mandeha
nannie ( 13/05/2013 05:51)
Tapa-tsinay... Mahita ka !
laaris ( 21/05/2013 21:57)
rajoelina alefatsika Ambositra
fa any izy raha boay kely tsy masosotra
pety aondrana any amboasary
hijery ireo malaso mosary
laaris ( 21/05/2013 22:03)
rajoelina alefatsika Ambositra
fa any izy raha boay kely tsy masosotra
pety aondrana any amboasary
hijery ireo malaso mosary
raozigasy ( 22/05/2013 10:28)
alefaso mihitsy ho any ambositra
fa manao sain-jaza tsy vositra
famaky ( 24/05/2013 08:18)
Kanto izany ry raozy a! sady mety ho azo tanterahina e? hi3
Rainivaly ( 21/08/2013 18:15)
Ingahy Pasy efa any Ankoatra,
Tsy homen-tsiny hoe nanararaotra.
andry 1000 ( 31/03/2015 04:21)
rajoelina alefa any antsirabe
hanao wc manara-penitra be dia be
manaraka azy ratsirahonana
fa manimba ny ankohonana
de aza tezitra 'nareo vahoaka
fa ny ato ampoko no miloaka
nefa ifonana ihany koa
sao voavely basy eo atampon-doha
andry 1000 ( 31/03/2015 04:28)
fa ravalo alefa eny ambohimanga
hamboly coco sy voanjomanga
tsy avela hanaraka an'i lalao
fa manjary tsy misy atao

zafy albert any ambovombe
ataontsika manosika ilay pneu
ny madaraid efa ho vita ihany
ny sasany aza hitomany

fa i didier 'zay mampme
ilay mahavita pompe be dia be
tsara alefa any Ihorombe
mba hanoro ny ady kle...
vitako hatreo ny ahy ny tantara
fa mbola eo ny zanaka MAPAR
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0463