Rimam-pitia (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia
Malia
Tia
Doria

Rimariman-teny
Re ombieny ombieny
Rehefa falifaly
Sy asalisalin’
Ny afon’ny fitia
Mifankatia ery

Redy
Bedy
Very
Irery

Rima hafahafa
Manova indray ny tafa
Fa aloka sy saona
No indray ahaonan’
Ny senton’ny fitia
Resy fa dia tia

Faly
Jaly
Ady
Vady

Rimarimam-piainana
Rima koa fisainana
Fa misy hafaliana
Misy hakiviana
Tsy maintsy mba mirima
Ho an’ny Tia sy Tiana

Paris 15-06-2004
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - FITIAVANA
3209 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 16/06/2004 06:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311