ROA ARIVO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Roa arivo ianareo, raha isa no lazaina,
no hita maka fy ny sangan-tsora-tsaina
manaraka akaiky, ireo ambiroa mihoatra
ka dia velon-tsaotra, ity foko faly loatra

roa arivo ianareo, no nanjohy tsy niato,
ireo voatran'ny sento, sy ainga voarato
mamelona, mandravaka, ny rindrin'ny tontoloko
dia saotra no atolotro, ho solon'ny orokoroko

roa arivo ianareo, no nanosika nanampy
ireo laron'ny fanahy, mbola voatsinampy
manakatra tsikely, ny habaky ny kanto
mandinika, mijery, izay soa mba voaranto

roa arivo isa, raha toa totaliana
ankoatr'ireo maro, tsy miteny na dia liana
fa manarakarak'eny, mibanjina mangina
ireto vetso voasoratra, sy teny mba narima

ka saotra re, sy sitraka, no atolotra averina
faly i Raozigasy, tena mankatelina
ny fiarahana eto, sy ireo zarazara
ny saotra izay tsy vitako, havalin'ny tantara

Raozigasy
--------
Rohy:
1214 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334