Roa taona (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Roa taona

Tsy mety voaangoko
Ireo vetso mpanambara
Tsy mety voatangoko
Ireo teny mpitantara

Tsy mety voavoriko
Ireo ainga mpampanoratra
Tsy mety hosamboriko
Ireo vinanin-tsoratra

Fa to ny hetretrehako
Sy ampoka ny fiainako
Ny hasambarana atrehiko
Ny fiadanana iainako

Ka kalo no atambatro
Hisaorako Azy ambony
Ho vavaka asandratro
Noho ny sitrapony

F’ireo taona roa nomeny
Zinam-pitsikiana
Tsy voafintin-teny
Tsy hita vinaniana

Fa roa taonam-pitia
Roa taonam-pifaliana
Roa taonan-driaria
Roa taona I Samitiana

Dia roa taona an-tsingerina
No mbola angatahina Aminy
Am-bavaka no anterina
Raha sitrany sy maminy
--------
Rohy:
1701 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0255