Ry.. (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry sary manimba ny masoko
sy manaitaitra ny andrasoko
Ry kanto soa mampitselatra
ilay foko te hanan'elatra

Ry meva mpanaitra fanahy
manainga ny anaty ho sahy
Ry tsara mamelona avelo
tiako ho tsiambaratelo

Ry endrika soa kanto loatra
mampiridana tempo hitroatra
Ry tahak'ilay tonga lafatra
lavitra tsy mety takatra

Ry mpanaitra ny tanako hanoratra
hiredy am-bava sy an-tsoratra
Ry mampiteny irery ny tsiahiko
tsiriritiko mafy fa tsy ahiko

Miareta mijanona ela
hataoko tsy tontan'ny ela
sikoriko anaty vinaniko
atambatro amin'ireo mamiko
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
865 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324