RY zanaka adala (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry zanaka adala

Avelao ny ditra,
Fa ny rendra tsy ho ritra
Afoizo ny haitraitra ,
sao hivadika ho mafaitra

Ry zanaka adala

Ndeha ovao ny fiainana
Ovao koa ny fisainana
Ovao hatramin’ny fo
Ovao, hadio tokoa

Ry zanaka adala

Araho ny lalamarina
Dieny tsy mivarina
Ny ratsy vita ilaozy
Ny toetra ratsy havaozy

Ry zanaka adala

Henoy ilay antson-dRay
Miantso anao indray
Miverena re modia
Miantso anao Kristy
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Aingam-panahy
1672 1
Mpakafy: SamyKely
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.032