Sambara (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambara ianao ry saiko, dia odio fanina
Ireo olana rehetra, izay mitanintanina

Sambara ianao ry foko, dia odio tsy hita
Ireo hetraka fitia, tsy tapitra tsy vita

Sambara ianao ry aiko, dia odio adino
Ireo sedran-jiogam-piainana, mihatra tsy mampino

Sambara ianao ry zoko, dia odio tsy jerena
Ireo tsindrio fa lavo, ireo tsindry hazo lena

Sambara ianao sambara, ataovy am-bentin-teny
Ataovy vavakao, ataovy lavareny
Fa rehefa ela ny ela, ho sambatra ianao
Fa iaino aloha ny anio, ity fiaina-mankalao
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
963 1
Fans: Aynah
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0322