Sambatra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io ilay zaza mamerina hira, mifantoka mafy, manao tsianjery
Raha vao tsy tadidy, dia midongidongy, na koa misafoaka, mingonona irery
Ny feo amin’izay feno badabada, mikajy mafy ilay voambolan-tsy ho diso
Ny fihetsiketsika mahate hanongo, miedinedina ery ilay masiso

Io koa ilay reniny manao baiko moana, manarak’efa toa handray anjara
Moa va tsy izy no setriny aloha, fa hainy tsianjery ilay sombin-tantara
Ny tena marina, dia toa izy mihitsy, no hiaka-tsehatra sy hamelon’aina
Ka somokotra sady revo dia revo, mampianatra lesona ity sombin’aina

Io ilay rainy, mitsiky sy faly, manara-maso izato ankohonany
Kevoka ery mianoka anaty, ity hasambarana eto an-tokonany
Ravo ny sainy, mirana ny ainy, mahita ireto fitiavan’ny fony,
Ka vavaka akariny tsy miahiahy, midera misaotra ilay Ray ao ambony
--------
Rohy:
974 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1155