Saranga (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho ilay nohamboina tany am-pianarana, satria mavomavo
Izaho ilay novonoina, fanalana vokona, rehefa iny ianao tsy ravo
Izaho ilay bandy kely, antom-pifosana, eny an-tokontany
Izaho ilay tsy mba mamindro, rehefa misy raitra, ny raha miainga avy any

Misy ilay izaho, misy ilay ianao, saranga tsy mitovy

Ianao ilay ivo lava, akon'ny tangorona, naman'ny tontolo
Ianao ilay raitra zava, ka ny fatratra rehetra, sintoninao daholo,
Ianao ilay soa mangirana, mandina sy pendrana, feno iratry ny tafy
Ianao ilay manan'ampoka, aitra sy fitaovana, tsena avy any an-dafy

Misy ilay ianao, misy ilay izaho, hoe ireny zana-jovy

Izany moa ilay sary, nataon'ny saranga, ho mizanam-piainana
Izany moa ilay jery, sy tena seho ivelany, soritry ny fiainana
Izany moa ilay tranga, nentina nampiavaka, ny sivam-piaviana
Izany koa ilay saraka, izay nabaribarin'ny toeran-tsy itoviana

Misy kiran-tsary, raiketin'ny fotoana, misinda sy mandalo

Ary ankehitrio dia vao maika loza, ny sary izay abariny
Vao maika mihamasiaka, sady avo lenta, ny ataka ampariny
Izany rehetra izany, no taratra, fitaratry ny tany tsy mandroso
Lavaky ny ketrika, sy ny fari-piainana milatsaka mijotso

Misy elanelana, tsy nety voafeno, tsy nety voatakalo
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1154 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 20/03/2014 22:37
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0304