SARINAO, SARINTSIKA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
rehefa iny aho resiresy
vizaky ny adin-tsaina
noho ireo ola-mifanesy
izay tsy vatra tanisaina

dia ny sarianao ry Tiana
no banjiniko mangina

rehefa iny aho valabalaka
ka manomboka sorena
noho ny asa izay mandanaka
sy ireo adidy izay nekena

dia ny sarintsika akia
no entiko manary dia

rehefa iny aho, ketraketraka
manjombona toa hitomany
tsy mahatombina, mipetraka
fa lasalasam-borona any

dia amin’ireny sary ireny
zaho no miresaka miteny


satria ny sarinao ry tiana
no manala fahoriana
ireo sarintsika tena mamiko
no mba hany vatomamiko
ny sarinao sy sarintsika
sisa masoandroko baliaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1186 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031