Secret (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
izaho leitsy aloha, hatramin'ny avril, aleo aloha hilamina
tsy hirevy be intsony, tsy hivoaka firy aloha, fa ato an-trano hijanona
aleo aho hanangona « S », dia miainga masiaka, rehefa tonga ny fotoana
tsy dia hirobaroba, eny hatramin'ny kaly, aleo ho tsotsotra foana

fa ahoana sa misy inona, ho any dago angaha ialahy, sa handeha hanambady
sa ve hanao trano, sa hividy fiara, sa inona no ady

izaho leitsy aloha, hatramin'ny avril, tsy hisotro firy
fa mety hoe hirevy « seul », na isika mi-tsam, dia mba mikafiry
fa ilay manao « plus » indraindray mandany be, tsy araky ny « tam »
dia aleo koa aho « hi-saute » mikidaona RER , fa tsy handeha « vam »

fa ahoana marina, dia tsy hirevy izany, rehefa tonga ny « week end » ?
Ny andro izao ho tsara, dia ho raikitra indray , ny resaka endiendy

izaho leitsy aloha, hatramin'ny avril, hitady asa hafa
hanampiana ny « ASSEDIC », aleo aloha hi « sacre » , tsy « quoi »na hoe mijafa
fa izaho mila matanjaka, izaho mila hoe masiaka, rehefa tonga ny fotoana
fa amin'izay kosa, apoakako ny revy, rehefa ny ekipa tafahoana

lazao leitsy moa, fa inona ary ity, sao kozy mety amiko
dia izaho koa hanao toa an'ialahy izany, ny revy koa ajanoko

aleo ary fa lazaiko, fa aleo mba ho antsika, fa tena « secret »
hain'ialahy ihany, isika gasy am-pinda, fa mpanao resa-be
izaho leitsy hoa, mila mikandra kely, fa tena mila « S »
fa amin'ny avril, izaho tsy maintsy hoe henjana, fa handeha RNS
--------
Rohy:
1840 0
Hevitra mandeha
Amiko ( 06/04/2015 07:16)
raovina ny tohiny e !
Amiko ( 06/04/2015 07:18)
fa miainga masiaka aona moa zany nareo ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0305