SEKTA (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sekta hoy ialahy
Izaho tsy miraharaha
Ny fandraisana ahy any
Tsara sady mamy

Any leitsy no hitako,
Mihaino ny fangitako
Mihaino ny blemeko
Sy ny menomenoko

Any aho no mahita
Feo tsy mba mikita
Fa manambitamby
Sy tsetra manan’amby

Any no mihaino
Ny olan-tokantrano
Ny asa fivelomako
Ny ady fitolomako

Ka ialahy aza mitsara
Sy miseho mandrara
Fa ny an’ialahy ny vavaka
Fisehoana miavaka

Ialahy aza manakiana
Ny an’ialahy fivorian’
Ny saranga izay mitovy
Raha izahay dia “zovy”

Ialahy aza mikafara
Tsy ny an’ialahy no tsara
Io mitovy samy vavaka
Ka aza mifanavaka
--------
Rohy:
1262 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 29/09/2013 22:15
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0316