Sisatsisan-dresaka (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sisatsisan-dresaka sy Ambinambin-teny notsindrotsindrohako teny rehetra teny
no natambatro anio hanaingako kalo
hamohazako indray ilay ambiroa mihalo
tositosi-bina, sy tetika an-kidala
no niara-nientana, namaky hidim-bala
dia indreo fa nibasasaka, nameno toeram-poana
ireo voambolana sy teny, elabe no moana
dia nisandrahaka an-drangotra, nakanaka toerana
hilaza rediredy, tranga tsy hita ho ferana
ireo kanto kely niafina, nahita hazavana
nitsiry tao ny laingony, hivavaho re ho tamana
©Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy