SOA FA NISY TSIKY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOA FA NISY TSIKY

Soa fa nisy tsiky azo nozaraina
Ho an’ireo nijaly sy niferitr’aina
Soa fa nisy tsiky , azo nifamaliana
Rehefa samy moana, noho ny hakiviana

Soa fa nisy tsiky, azo nangalarina
Teny amin ny mpandalo, ilay sendra tsy tafarina
Soa fa nisy tsiky, azo nantenaina
Natsikin’ireo namana, rehefa rera-tsaina

Soa fa nisy tsiky, azo niantsampazana
Rehefa iny ianao, nipoitra sady tazana
Soa fa nisy tsiky, mitondra fifaliana
Ilay Tsikinao izay, ry Vadiko, ry Tiana
--------
Rohy:
973 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1063