Soava, dia Tsarà (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tsindrotsindro-teny, na tsimpontsimpon’hafatra
No atolotro ho anao
Fa bitaky ny fo, sy vetso lafadafatra
Noho ity taona vaovao

Tsy pentsona boloky, hitanisa firariana
Toy ny mahazatra
Fa angon-tonom-bavaka, atosa-pifaliana
Solom-pihin-tratra

Tsy kobaka am-bava, hahatsara toerana
Anivon’ny tontolo,
Fa rindran-teny mamy, nomena tsy noferana
Afoy ho anao daholo,

Koa dia arahabaina ianao, noho ity taona vao,
Veloma, Salamà
Ho to sy hotanteraka, ny kinasa sy ny atao
Soava, dia Tsarà
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1085 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784