Somongam-piainana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe « Omaly »


ao ambadiky ny hita, misy jaly izay tsy tazana
misy tolona mihafy, misy ady mbola mazana
misy sedra henjam-piavy, misy tsapa tsy ho zaka
izay tsy sahy ambara aboraka, fa tena mbola mahavaka

ao ambadiky ny soratra, fizarana tsiky vao
misy ketoka sy kepoka, izay tsy tiako ho fantatrao
vadin-koditra taraina, fato-matin'alahelo
izay tsy sahiko naseho, naleoko ho tsiambaratelo

ao ambadiky ny ho avy, tarigetra noaboina
misy rofin-tsori-bina mbola an-dalam-pitsaboina
odinkodin'ny fiainana, mivadika ho ambony ambany
nifin-tsofa sarisarin'ny fiainana eto an-tany

raha tsy nisy ny mangidy, tsy ho nisy ange ny mamy
raha tsy nisy tambitamby, tsy nisy koa ny tomany
raha tsy nisy fijotsoana, tsy tsapanao re ny fisongany
fiainana daholo izany, … ataovy hoe « somongamongany »
--------
Rohy:
1000 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0271