Ssss aleo rangah ! (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo rangahy hilatsaka daoly
Na ny mihaja na ny mpifoka moly
Na ny mihevitra azy ho be saosy
Na ny manao fitafy maosimaosy

Aleo rangahy hilatsaka avokoa
Fa samy te hatavy toa kisoa
Na ireo efa mandrezatry ny bizna
Na ireo paosy mbola ngizingizina

Aleo rangahy hilatsaka izay vonona
Na vaovao ireo na tsy mahay mionona
Na ireo tamana ka mahita fafiny
Na ireo te hanosika ny zafiny

Aleo rangahy hilatsaka izay sahy
Na ramatoa io na koa rangahy
Na efa vizaky ny fiainana na tsia
Na avy eto na koa avy ary

Aleo hilatsaka hoy aho izay mazoto
Na ireo mpiketrika na ireo loham-boto
Na ireo nahazo vola tampoka tsy fantatra
Na ireo nitsipaipaika te hisantatra

Aleo rangahy samy hanao izay tiany
Fa ny vahoaka no mahalala izay fidiany
Fa ny fifidianana re mba atao matotra
Amin’izay izay lany eo tsara fatotra
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1031 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0342