Tadidin-dry (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tadidin-dry …..

Mba tadidin-dry moa ve akia aloha
Ilay isika rehetra tamin’ny taloha
Niaraka tamin’i Lenina sy i Zozety
Ry Yvonne be sy ry Kala Nety

Ny ambohimpihaonana tamin’izany
Taiza fa tsy teo amin’ny “bassin” ihany
Maika ery rehefa alakamisy
Niady toerana amin’ilay Kala Gisy

Ilay Ikala Gisin-doza tokoa tamin’ireny
Niseho bevava, sy beteniteny
Niaraka amin’ilay kovetabeny
Efa godraka nefa mbola nentiny eny

Nizesta ery izy tamin’izany
Hoe sipan’ny “President” n’ny fokontany
Nefa inona akory fa lainga be
Ny sipany “gardien”ny EPP

Mba aiza tokoa akia izao hono i Zeroma
Tamin’izany izy tazana teny foana
Tsy haiko izay mba tiany tamintsika
Nanara-body nandreraka hoatry ny alika

Toa nivady hono akia,izy sy Edvizy
Nifindra any Sambava any hono izy
Toa hoe nanangana “épicerie”
Sady nanao varotra “friperie”

Ary I Zozo kely sy Yvonne be
Toa efa nisaraka hono ange
Leiry hono midaroka rehefa mamo
Tsy mitondra vola mody any an-trano

Aiza kosa akia no hahazakana an’izany
Vao misy vola kely dia any amin-dRadany
Sady izy koa ange hono efa tratran’i Soa
Nitondra sipa izany tao amin’ny Anjarasoa

I Lenina indray hono vao nanambady
Nilaozany ilay fiainany mafiady
Nanangana sekta eny Ambodimita
Izao hono akia izy tena tafita

Ilay rakitra akia toa mahavelona be
Ilay pasitera vadiny hono hanao depiote
Mizara “T-Shirt” mitety trano
Manao propagandy amin’ny velirano

Ary Zozety akia hono mba nanao ahoana
Mbola miaraka ve izy sy ilay bandy kamoana
Tsy hitako akia izay hitiavany an’iny
Sady antitra be, tsy efa dimy amby dimy ?

Raha izaho mihitsy izy, naleoko Zacky
Sa iny moa ilay hoe efa sipan-dry
Ndry koa tsy laitra raha hikaoty lehilahy
Tsy menatra mihitsy fa tena sahisahy

Ikala Nety akia no tena hitako niova
Vao nanambady ilay zanak’Andriambodilova
Tsy maintsy atao hoe “Madame Jeanette”
Sady miseho ho “star” sy miseho “vedette”

……

Fa aiza daholo no hahalalandry an izany e
Sa nareo miresaka, sa indry manontany

Ndry mihitsy izany no tena taraiky be
Fa indry ngah akia tsy mba manao fb ?

© Raozigasy 12/04/19
--------
Rohy:
906 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 22/05/2019 21:34
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0279