Tafa sy takalo (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa nitafatafa, naka ambony ambany,
Ireo saiko sy ny namany, ry ainga sy vinany
Dia nanita-tsaina, ka niara-niombom-peo
Ka ireo dinika tao lazaiko ho anareo

I saina moa nilaza , hoe ahoana ihany
Ny fiainana masiaka, ny fotoana lany
Ny tori-maso fotsy, ny jiro misy tambiny
Ny olona ao an-trano, nataonao ambinkambiny

Fa eo ianao maniry, ora marobe
Tsy hita be ihany, hoe ahoana re
Nefa io tsy mahavelona, tsy azo atao sakafo,
Tsy mampidi-bola, ny fotoana lany lafo

Dia I ainga moa namaly, tsy nisalasala
Hivaro-tononkalo, sao lazaina hoe adala
Izaho ange raha nanoratra, dia mba te hizara
Ireo fijery ny tontolo, ka ny tonony ho tantara

Ka raha toa ka ampitaiko, ireo hevitro malalaka
Ekeko hoe ny saiko, mety koa ho valaka
Kanefa tsy nahoako, nataoko ho kilalaoko
Izay aloha no hevitro, satria tiako izay hataoko

I Vinany moa nandinika, vao nanoka-bava
Ka niteny hoe, ny kabariko tsy ho lava
Ekeko hoe tena marina, ny teninao ry ainga,
Ny an’I saina koa, tsy misy izay hoe lainga

Ny hevitro dia izao, raha momba io resaka io
Ny fotoana lany, isao dia kajio
Fa tsara raha sandaina, ka tokony hisy tambiny
Ho takalom-bidin’ireo natao ambinkambiny

Dia nampikaon-doha, ilay loa-bary an-dasy
Fa mila akarina avo, ny kanto Malagasy
Tsara ny manome, noho ny mandray,
Kanefa ilay ron-doha, mba aiza amin’izay ?

Rehefa lany aiky, ary ny mpivory,
Rehefa nijery akaiky, ity poety tsy matory
Dia nanapa-kevitra sy nifanaran-tsaina,
Hoe ity asan’ny mpanoratra, tokony hosandaina,

Ka ireo aingam-panahy, navoitry ny talenta
Omena maimaim-poana, hanala hetaheta
Fa ireo hataka hafa, avy amin’ny mpamaky
Tsara asian-takalo, sy mendrika ho voataky

Dia ankoatr’izay, raha misy tranga hafa,
Ilana Angolan-teny, sy lalaon-tafa
Tsy atao an-jorom-bala, fa jerena akaiky,
Ho hitsiny sy rariny, ka ny rehetra hanaiky
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
792 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0335