TAITRA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sisatsisan-dresaka sy Ambinambin-teny
notsindrotsindrohako teny rehetra teny
no natambatro anio hanaingako kalo
hamohazako indray ilay ambiroa mihalo

tositosi-bina, sy tetika an-kidala
no niara-nientana, namaky hidim-bala
dia indreo fa nibasasaka, nameno toeram-poana
ireo voambolana sy teny, elabe no moana

dia nisandrahaka an-drangotra, nakanaka toerana
hilaza rediredy, tranga tsy hita ho ferana
ireo kanto kely niafina, nahita hazavana
nitsiry tao ny laingony, hivavaho re ho tamana

©Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
985 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0261