You are here: home > Vetso

Tam-pihaonana tsinahy - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin'ny tononkalon'i kiriah hoe "Fa manko ny SATRIA zay mpamaly ny NAHOANA"

Tsy hiteny izy hoe satria, na hilaza hoe izao no antony
naharendridrendrika azy, tan-tsafononoky ny hakantony
fa tamba-tranga maro loko, no vovo nahalatsaka azy
tao ny tsiky, tao ny bika, tao ny lefa-bazivazy
ka raha nosandainy ireo, dia tsy nasiany ady varotra
fa natakalony fitia, tora-po ho marimaritra
fifanojoana avy hatrany, no nihaona sy nivahy
nivadi-tselatra ho fitia, tam-pihaonana tsinahy