Tandremo lahy !!! (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tofo-pifaliana ve ? sa efa leom-piadanana
No akanga iray mandalo no andaniana ny fananana
Sa reraky ny hasambarana, sy ny fiainana milamina
Ka dia lalan-kafa indray, no santarina indramina

Tofo-panajana ve ? sa efa leon’ny tokam-po
No vahiny iray miserana, no ampiasana izato loha
Sa ilay fitia misafononoka, no mitobaka ny hamaminy
Ka any an-kafa no mizara, ireo tsiro nihoatra taminy

Tandremo lahy sao hanenenana, atsipiko ny fitenenana
Sao potraka tsy hifanarenana, ka ny dia tsy azo hiverenana
Ireo efa mety aza asavoro, milaminĂ  sao voadoro
Ka ny ampitsonao hikoro, ianao ho rava ho toro
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1229 1
Mpakafy: scotlandyard
Hevitra mandeha
kiriah ( 23/07/2011 07:40)
sady tsara rima no tsara voam-bolana
Soarilala ( 24/07/2011 19:54)
Tandremo ary hono izany e!
Zozoro ( 27/07/2011 19:47)
Makasitraka raozigasy a! tena kanto. Misaotra e!
zokieva ( 02/08/2011 07:20)
Tiako be ilay izy an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0345