Tao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« Tao » ny tranon-drazana, tao dadabe sy bebe, no namarana ny fiainany
« Tao » ny fianakaviana, dadatoa sy nenitoa, nifampizara ny taintainany
« Tao » izahay ankizy, iray tarika sy andiany, no niara-nilalao
« Tao » sisa no tsiaro, iarahana mitsiahy, amin'izao anio izao

« Tao » ny fialan-tsasatra, sy ny fahazazana, no niarahana nizara
« Tao » ny hamafisan-doha, sy ny ditran-tsakana, no nanaovana tantara
« Tao » ny takalon-dresaky ny fitiavan'ankizy, no niantomboka niserana
« Tao » ny tsiambaratelon'ny rahalahy sy ny anabavy, nivoaka tsy noferana

« Tao » ireo fahiny, tsy takatry ny ampitso, no nilevina ho lasana
« Tao » ireo havana rehetra lasa nodimandry, no farany niandrasana
« Tao » ilay fitiavana, fihavanana tsy foy, no nianga nisandrahaka
« Tao » ilay sary sisa anio, ho lova sarobidy, tsy tiana very hoe hiahaka
--------
Rohy:
1313 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1495