TAO AN-TEMPOLIN'NY FITIA (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aingam-panahy tokony ho nivoaka ny 14 febroary kanefa nabosesiny loatra ny tanako ka dia voatery namoaka azy an-tsoratra , mazotoa mamaky TAO AN-TEMPOLIN’NY FITIA
. . .
Dia tonga indray ity ilay andro, voatokana , voaavaka
Ho an’ny mpifankatia , rehetra rehetra tsy an-kanavaka
Izaho moa toa mba anisany, ka tsy te-hoe-hiavakavaka
Fa dia toy ny rehetra , nandeha koa niara-nivavaka
. . .
Dia tonga tao an-tempoly, indreo vahoaka marobe
No miaraka mikalo, ary miventy ny hoe :
Raha mbola velon’aina, dia mifankatiava re
Ka ny teny hoe fandeferana , no ataovy be dia be
. . .
Dia iny aho fa nanandram-peo, ary koa nametsovetso
Ny fitiavana tanatiko, sady mba nasiako beso
Dia tanaty raondraona, ireo fo niara-nihira
Ka tena mamy ery ny miaina, toa tsy mba misy izay masira
. . .
Dia avy eo dia notoriana, ilay tenin’ny fitia
Ary nohazavaina fa ; “afo io ka mora malia “
Ary sady mora maty, nefa mety koa mamono,
Tena sarotra tahirizina, mitroatra raha mifonofono
. . .
Dia avy eo dia nandeha, ny filazana raharaha
Dia nambara tao daholo , ireo mariazin-drahalahy,
S’ireo fanavaozam-boady, izay nataon’ny zokiolona
Ka dia tehaka nirefotra, no nasetrin’ireto olona
. . .
Dia notatazana ny rakitra, izay niarahan’ny rehetra,
Dia nirotsaka daholo, ny toky, dina, voady etsetra . . .
Tsy mety hatakalo vola, na hoe tombanam-bidy io
Ary izay fitia mitafotafo, tena tsy misy toy ny anio
. . .
Dia namaranana fotoana, ny hafatra sy ny tso-drano
Hoe ny mpifankatia rehetra, , mifanaova velirano,
Hoe ho tena lamban’akoho, ary aina koa no fetra
Haharitra doriadoria, , ny fifankatiavan’ny rehetra
. . .
Dia nirava ny fiangonana, izaho koa moa nanohy ny lalako,
Nony nojereko anefa, foana ny teo an-kavanako
Satria moa tsy teo ianao, fa mbola any lavitra any,
K’ilay vavako vao teo, saika nivadika ho tomany,
. . .
Naniry ihany aho hoe androany, ho toy ny olona rehetra,
Mitantana izay olon-tiany, ka tsy misy izay fepetra,
Kanefa dia nandeha irery, raha hamonjy ireo mpivavaka
Kanefa anie ilay andro, voatokana , voaavaka
01-02-07
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy