TAONA VAOVAO sy VAOVAON’NY TAONA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voalohan-teny dia TRATRY NY TAONA, 
Na mpinamana isika na mbola tsy nihaona
Dia ny soa rehetra eto anivon’ny tany, 
No iriko hiraraka ho anao hatrany 

Ny faharoa dia milaza vaovao, 
Ankoatr’ity taona zaraiko aminao
Dia misy ireo HETSIKA sy VINAVINA, 
Atolotra ho anao sao ianao mba liana 



Ny HETSIKA, dia ho avy tsy ho ela, 
Efapolo andro eo no sisa tavela
Ka ny loha-hevitra atolotra anao , 
Mamy dia mamy, “ SATRIA TIAKO IANAO” 
http://bizna.serasera.org/bizna/ad/fampisehoana/samihafa-5/SATRIA-TIAKO-IANAO

Tononkalom-pitia no antsaina an-tsehatra
Redam-po mijoala, no loko adorehitra
Arahina dihy, sy seho kasikasy
LAMAKO : mozika, tena bà Malagasy 
http://www.youtube.com/watch?v=QMYIorGul5o

Handravaka azy hosotra an-doko
Hiavaka toerana, fa kanto an-tsitoko
Ireo kisarisarim-pitia ange hevero
Fa asondrotry ny sangan’asan’i VERO 
https://www.facebook.com/adonisvero/media_set?set=a.1216865112476.33166.1554305087&type=3

Izany hetsika izany no enti-mitety
Maro ireo mpikarakara no efa mety 
Ka ho avy Raozigasy handom-baravarana
Ny aty Frantsa no loha-laharana 



Ny VINAVINA efa mby an-dalana
ANTSA SY HAFATRA, atao voan-dalana
Fa hanao tononkalo ho anao manokana
I Raozigasy fa hanoraty mitokana

Ireo voka-teny natolotra ireo
Dia azo ZARAINA amin’ny ONJAM-PEO
Indrindra moa azo ametrahana HAFATRA
Antsain’i HOLY am-peo kanto sy lafatra 

Raha toa moa ianao ka maniry
Azo omena an-kapila mba ho tahiry 
Ho fahatsiarovana, tsy ho tontan’ny ela
Sy fanomezana mba ho tavela

Raha hihaino an’onja, izaho mamporisika : 
“ANTSA AN’ONJAM-PEO” ao amin’ny RADIOBITSIKA
www.radiobitsika.com 
Fa ny voalohany indrindra efa fantatrareo
RADIOVAZOGASY, amin’ny “INDRAM-PEO” 
www.radiovazogasy.com 


Izay fanazavana manitika anao, 
Dia hanontanio, ary koa angataho
Fa vonona hatrany anie Raozigasy
Hizara aminao ny TENY MALAGASY 

Dia aza misala koa manaparitaka
Ho an’ny namana rehetra am-paritaka
Fa izay no mahatsara ny serasera
Mifampilaza ny soa sy ny kanto tsy an-kiera

Dia izay ny vaovao ankoatry ny taona
Ny tohiny an-tsera eto isika no mihaona 
Dia mbola manantitra foana ho anao
NY FIRARIAN-TSOAn’ity taona vaovao

Raozigasy 01/01/2014
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2028 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2124