You are here: home > Vetso

Te hahita anao - raozigasy

Azo vakiana?


Tsy andriko sahady, ilay fotoana iray,
Hihaonantsika roa, hihaonantsika indray

Fa satriko sy sitrako, hahita anao androany
Higoka tambitamby, hivoky angola mamy

Te hahita anao, eny  te ho anao
Hanao izay sitratsika, sitrako sy ianao

Izay no tena marina, tian’ny foko ambara
Fa tiako loatra ianao, faingana aza tara

Hevitra mandeha

Soarilala (24/08/2010 19:34:01)

Mbola ho avy ilay fotoana , ka hifankahita indray, efa tsy andriko foana, ny hifamihinanay

Soarilala (19/03/2018 23:18:53)

Tsy andriko mihintsy, ny hifanenana aminao
Fa te habita anao, maika ny ho eo anilanao

Te hianoka hafaliana, efa tsindrin-daona
Aminao ry tiana, dodona te hihaona

Hametraka hevitra

Midira aloha