TENY NO TONTOLOKO (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa raha teny no tontoloko
Dia fitia no hampamololoko
K’ireo aingam-po mipololotra
No arangako avoitra

Fa raha teny no tontoloko
Dia zaraiko ireo daholoko
Ka an-tsoratra no aborako
Ireo siakasiaka izay fitorako

Fa raha teny no tontoloko
Dia atomboko eo ny toloko
Ka an-taratasy aho no miady
Amin’ny olana mianjady

Fa raha teny no tontoloko
Dia tononkalo no asoloko
Ireo hafatra izay tiako ambara
Mba holovain’ny tantara
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
795 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306