Teny nomena adidy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy manakiana akory na hoe mikafara
Fa raha ny mpifankatia no tsy mifamarafara
Dia ho raikitra ny ady ho rava ny fitiavana
Ka vao miandoha ny resaka, dia aleo mazava re rahavana

Henoko daholo, ireo propagandy,
Nalama be ny vava, toa tsy mba nahay nivandy
Hitako daholo ireo ezaka natobaka
Varatra daholo, nandaniambola bobaka

Ary haiko tsara koa, fa ireo masonkarena
Tsy maintsy ilana tombony, toy ny varotra eny an-tsena
Tsy hoe vola adala tompo, ka atoraka kisoa
Fa ny ao ambadiny ao, dia mitady tombontsoa

Ka izao no mba hafatra, tsy asiana sasin-teny
Raha sanatria re lany, hajao reny loka ireny
Omeo ny toerany ihany, ireo vahoaka izay nifidy
Tsarovy ilay ohabolana, teny nomena adidy
--------
Rohy:
1028 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823