Teo am-patsakana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tohin'ny tantaran-dRasiza tamin'ny tononkalo hoe « Avia ianao »

….

Ny ahy akia hoy Rasiza, lazaiko fa tsy mety
ilay isaky ny tonga, dia hoe avia vetivety
tsy misy izay hoe vonona, na mila na mitady
fa tsy maintsy manaiky, adidy hono io fa vady

indraindray ianao, efa valalanina
mikarakara trano, sy fanonkonan-kanina
izy tonga avy any, tsy misy hantahanta
fa tonga dia mibata, an-tery vay manta

indraindray ianao, reraka nanetsa
tsy misy hatak'andro, na miandry kely hoe petsa
avy hatrany rotoroto, fa ho any fa ho any
tsy misy fomba miova, ianao foana lavo ambany

….

ndry foana no manaiky, rehefa izy te hanan
raha izany no aty amiko, tsy mahita raha Razane
ny ahy izay tiako ihany, izaho mibaiko sy miteny
hoe mila aho androany, rahampitso ianao karemy

taloha mantsy Ledona, manao toy ny an-dry
toto-afo ts'isy farany, ts'isy hakana fy
nanaovako ati-doha, teo am-parafara
mipetraha indry, raha hiaino ny tantara

ilay izy tonga hariva, toy ny mahazatra
ny fanaony mantsy, misafo kely tratra
avy eo dia misintona, miteny hoe avia
sady koa mibaiko, tsoahy ny sikin-dry

narahako am-bokony, ny boky koa navelatra
izy poa toa izay, tsy misy indray mitselatra
vonona sy maika, nijoro tanoloana
dia hoy aho mantsy azy, io ianao raha noana

dia namokovoko, izaho nody fanina
nihinanako paoma, izaho nitsamontsamona
dia avy eo aho nandrezatra, sady niteny hoe,
izaho efa te hatory, fa mbola ho ela ve

teo dia maina tankina, tsy nahavita inona
izaho nikakakaka, lazainy manao zinona
avy eo dia noteneniko, rehefa maika ianao
dia efa miomàna, f'isan'andro ho toy izao

dia nanomboka teo, toy ny alika kely
mahalala baiko, tsy hita velively
izaho no tompon'io, izay tiako no atao
fa tsy izy no hanjaka, isan'andro vaky izao

…..

ny ahy indray hoy Ralena, tena hafa mihitsy
izy raha fotoana, tena mahay mitsitsy
mikosoka in-telo, avy eo miesona matory
ny lambahoaniko aza, tsy voavaha akory

izaho amin'io vao mba te haka bahana
izy efa ritra, sy mitsako ahana
nitrena kely farany, dia nitodika lamosina
dia teo aho no noraisina, sady feno nihosina

fa taty aoriana, hitako ny fika,
noresahako an'i Zety, iny koa moa alika
dia iny koa aho nentiny, nijery « video »
nampianariny, nihiaka, nanao hoe o o o

…..

Dia iny koa Raperla, saika hitantara ny azy
fa nangina tampoka, teo ny vazivazy
fa nandalo Ledona , nisintona an-dRasiza
tsy nisy arahaba, tsy nisy iza no iza

fa tonga dia nibetroka , hoe aoka izay ny tafa
be ny raharaha miandry, sy ny adidy hafa
andao isika hody, aok'izay ny resa-be
ento ny sininao, andao isika handeha

dia nifandona kiho, ireto marovavy
vita teo anio, ny resaka matavy
samy nandray ny sininy, sy ny ranon-tsakany
vita ny fara-hehiny, sy ny fikakakakany

Raozigasy
--------
Rohy:
1547 0
Hevitra mandeha
Mirasoua ( 21/07/2014 15:37)
Mdr....Oôôka marina!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323