Tetezamiitatra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ajanony ilay sima misioka
Ilay fandikan-dalàna hibirioka
Ajanony ilay fiady bontolo
Fa efa tofoka ange ny tontolo

Ajanony ilay banga mihomehy
Efa tsy alina intsony izao ange
Ajanony ilay manararaotra
Fa ny olona efa mitroatra

Ajanony ilay miloloha voatavo
Ry sola tsy ela dia ho lavo
Ajanony ilay samy malama
Fa boboka ny iray tanàna

Ajanony ilay rafotsibe
Hita tatatra handingana be
Ajanony ilay teteza-miitatra
Fa efa tobaka feno ny litatra

Ajanony ilay lalao volom-bava
Amin’ny saka izay matory lava
Ajanony ilay politika maloto
Fa ny fon’olona efa mivonto
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
794 0
Hevitra mandeha
nannie ( 11/06/2013 06:27)
... ka ilay saka lalaovim-bolombava aza efa tsy tia koa koa...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306