Teto amoron-drano (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teto amoron-drano teto, handeha hifoka ilay sigarany,
Herintaona toy izao, no nahalalako ny tantarany
Nanantona izy, tsy nisala, nangataka afo dia nandrehitra
Ny loko-molony tadidiko, fa tena mena nidorehitra

Teto amoron-drano teto, no natselany ilay afo
ka ilay trokan-tsetrony iny, nentin-drivotra nisafo
Nanopy maso kely izy, sady nitraka no nisaotra
Tena tsaroako tsara mihitsy, ilay volo-maso tsara voatra

Teto amoron-drano teto, no nanombohanay niresaka
Nitantarany ny fiainany, tsy zakam-pony izay nitresaka
Ka na ny tomaniny aza, tsy nilatsaka intsony
Fa efa tankina sy ritra, noho ilay fitia izay nafoiny

Teto amoron-drano teto, no nahitako azy voalohany
Vao tapitra ilay sigarany, dia natodiny ny lohany,
Tsy nangarika izy akory, fa nanao veloma ihany
Dia nitsambikina izy avy eo, sady koa nandao ity tany

Teto amoron-drano teto, no nahatazanako azy farany
Olona tsy haiko akory, izay aminy sy izay anarany
Teto amoron-drano teto, herintaona toy izao
No nahalalako ihany koa, fa izy kay ka tia anao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
855 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033